Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ela tsy hita!: nahafinaritra ny seho natolotr’i Rolland Raelison

Ela tsy hita!: nahafinaritra ny seho natolotr’i Rolland Raelison

Mandalo eto an-tanindrazana, amin’izao fotoana izao, i Rolland Raelison, anisan’ireo andrarezin’ny mozika Malagasy taloha. Nanolotra seho voalohany ho an’ny mpankafy azy izy, omaly tolakandro, tetsy amin’ny Sainte-Famille Mahamasina. Seho izay azo lazaina ho nampihetsi-po, satria ela dia ela tokoa no tsy nahitana azy an-tsehatra, teto amintsika.

Niavaka ihany koa ity fampisehoana ity, satria manamarika fotoan-dehibe roa eo amin’ny fiainan’i Rolland Raelison, amin’ny maha mpanakanto azy. Voalohany amin’izany ny tsingerin-taona nahaterahany. Feno 80 taona katroka amin’ity taona ity izy. Etsy ankilan’izay, 60 taona izay ny niakarany an-tsehatra voalohany, teto Antananarivo. Heverina fa nitamberina tao an-tsaina avokoa ny nitranga, tamin’izany fotoana izany, tamin’iny seho omaly iny.

“Ekeko satria”, “Handao anao”, “Inay aho”, “Tsy mba mandao”: santionany amin’ireo hira nahafantarana  an’i Rolland Raelison, nentiny an-tsehatra indray, omaly tolakandro, nampitamberina ireo tsiahin’ny taloha, na teo aminy, na tamin’ireo mpankafy. Marihina fa maromaro ny mpanakanto nanotrona sy nanafana ity seho voaloha, niaraka tamin’i Rolland Raelison, ity, toa an’i Hanitra sy Ny Angolan’Imerina, mpihira matetika ny sanganasan’i Rolland Raelison. Teo koa ireo mpitendry marobe. Marihina fa nitendry “saxophone” ihany koa izy, tamin’ireo hira sasany, nohirainy omaly.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.