Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

COSPN-Fifaninanam-pirenena: nahazo fankasitrahana ireo mpandresy

COSPN-Fifaninanam-pirenena: nahazo fankasitrahana ireo mpandresy

Tsy ambaka ny klioba hafa mijoro eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena ny klioba eo anivon’ny polisim-pirenena (COSPN). Vokatra tsara no azo tamin’ity taom-pilaolaovana 2018 ity. Toy ny fanao isan-taona, nisy hetsika lehibe nokarakarain’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo, nanomezana fankasitrahana ireo mpanao fanatajahantena eo anivon’ny polisim-pirenena (COSPN), nahazo vokatra tsara. Miisa 11 izy ireo no notoloran’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka, 1 hetsy Ariary, ankoatra ny amboara nozaraina.

Nisy tamin’ireo atleta no nitondra avo ny anaran’ny polisim-pirenena ka mendri-piderana tanteraka, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny ministera. Anisan’izany, Razanandrafomba Lorin Damien, voahosotra ho mpilalao mendrika, tamin’ny taranja atletisma ary ihany koa nahazo medaly volamena miisa 2, teo amin’ny hazakazaka 400 m sy tohi-dava. Teo koa i Djaovazaha Philippe Sebastien,  nahazo medaly volamena 2, taranja atletisma ihany. Anisan’ireo nisongadina koa  Ramananjatovo Mariolla sy Rakotonirina François Ernest ary Andrianandrianina Santatra, misalotra ny ho tompondaka nasionaly.

Ankoatr’izay, nisy ireo mpanao kick-boxing, tolona, marathon, ady totohondry ary karate, miisa 6 nahazo fandresena.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.