Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsirabe: trano lehibe telo indray kila forehitra

Antsirabe: trano lehibe telo indray kila forehitra

Potika ny tranobe miisa telo tany Antsirabe, vokatry ny firehetana. Manahy toe-javatra hafahafa ny olona, ka saika niafara tamin’ny savorovoro izany. Nilamina ihany anefa…

Nitrangana haintrano tany amin’ny fokontany Ivory Antsirabe, ny asabotsy lasa teo. Toerana fandrafetana hazo, misy masinin-kazo no voalaza fa niavian’ny afo ka niitatra tamina trano roa hafa izany, anisan’ny lasibatra ny tranon’ny lehiben’ny fokontany Ivory. Tsy nisy noraisina ny entana tamin’ireo trano telo ireo, saingy avotra kosa ireo olona tao an-trano.

Araka ny filazan’ny olona any an-toerana, mampiahiahy ny firehetana satria efa in-telo no nirehitra ity toeram-pandrafetana ity, saingy voafehy hatrany. Tamin’ity farany kosa, izao niitatra tamin’ny trano hafa izao, ary nanimba fananana maro sy saika naningotra ain’olona.

Saika niafara tamin’ny savorovoro ny nitranga teo amin’ireo tompontrano sy ny fokonolona, tamin’ io andro io. Samy saika hitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety ny roa tonta momba ny firehetana, kanjo fifamaliana no nitranga. Voalaza fa tezitra tamin’ny tompon’ilay trano fandrafetana ny olona satria nisy mpiambina ilay toeram-piasana nefa tsy niantso vonjy izy ireo. Nilamina ihany ny raharaha taorian’izay.

Araka ny fanazavan’ny olona, olana hatrany ho an’Antsirabe ny tsy fisian’ny mpamonjy voina, na efa nampanantena izany aza ny Ben’ny Tanàna. Tsy mbola misy anefa io hatreto, ary izao ny vokatry ny firehetana amin’izany.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.