Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

ADMC Craam: hanokanana fotoana i Roland Raparivo

ADMC Craam: hanokanana fotoana i Roland Raparivo

Iray amin’ireo mpanakanto malagasy vitsivitsy, nisandratra hatrany ivelany any, teo amin’ny tontolon’ny hosodoko i Roland Raparivo. 60 taona tamin’ity taona ity ny nilomanosany tao anatin’izany seha-javakanto izany ary maromaro ny hetsika notanterahina nentina nanamarihana izany tsingerin-taona izany.

Noho izany lalana nodiaviny sy ny voninahi-pirenena narovany, tamin’ny alalan’ny aingam-panahy tsy hainy notohaina izany, heverina fa mendrika azy ny homem-boninahitra manokana. Anisan’ireo resy lahatra amin’izany, ireo tanora ao amin’ny ADMC Craam, na ny foibe fanovozan-kevitra mikasika ny mpanakanto ankehitriny, manana ny foibeny eny Ankatso.

Ny 24 hatramin’ny 26 oktobra izao, izany fanomezan-kasina sy fampahatsiahivana manokana an’i Roland Raparivo izany. Hotsiahivina amin’izany ny niandohany teo amin’ny tontolon’ny hosodoko, ny lalana efa nodiaviny sy ireo fankasitrahana efa azony. Hotsiahivina ihany koa ny mampiavaka azy amin’ny mpanakanto hafa, samy mpanao hosodoko. Hisy  ny fanazavana sy fampahalalàna ary fijoroana vavolombelona nataon’ny fianakaviany, halefa hojerena mandritra io hateloana io.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.