Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsiroanomanididy: polisy misotro ronono maty voatafika

Nisehoana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tany Tsiroanomandidy, andrefan’ny gara, ny talata alina teo. Nisy ny fifandonana tamin’izany ka polisy misotro ronono, inspektera teo aloha, naratra mafy. Ny tranon’ity polisy ity no voatafiky ny jiolahy maromaro.  Nitsoaka ireo olon-dratsy rehefa nahazo izay nilainy. Ilay polisy kosa tsy tana ny ainy, na natao aza ny famonjena azy.

Ankoatra izay, nisy fanafihana hotely, ny zoma lasa teo, tokony ho tamin’n 8 ora alina, tany akaikin’ny toby fiantsonan’ny taksibrosy Tsiroanomandidy. Voalaza fa jiolahy mitam-basy ireo nanafika ireo. Tsy nisy aina nafoy fa nisy olona naratra kosa tamin’izany.

Mitaraina ny olona any an-toerana noho ny firongatry ny asan-jiolahy. Ny an-dRenivohitra, manafika ny jiolahy, ny ambanivohitra ny dahalo no manao ny ataony. Misy ihany ny ezaky ny mpitandro, saingy mila tsy aharaka ny firongatry ny tsy fandriampahalemana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.