Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsarasaotra Alarobia: sprinter sy kamiao nifandona, maty ny mpamily

Tsarasaotra Alarobia: sprinter sy kamiao nifandona, maty ny mpamily

“Vokatry ny fandehanana mafy sy ny fisongonana an-kavanana, nifatratra tamin’ny kamiao nihodina ilay Sprinter”, hoy ny fanazavan’ny olona nahita maso ity loza ity, omaly tokony ho tamin’ny 1 ora atoandro. Vokatry ny hamafisan’ny fifandonana, maty ilay mpamilin’ilay fiara Sprinter, raha ny filazan’ny mpitandro filaminana teny an-toerana. “Tsy nipoaka ny airbag ka tery teo ny mpamily. Mafy rahateo ny dona nahazo azy, ny lohan’ny fiara potika tanteraka ka nitarika ny fahafatesany”, hoy ny mpitandro filaminana.

Voalaza fa Sprinter hofain’ireo Sinoa mpanao lalana iny ity nifatratra teo amin’ny vodin ilay kamiao mpitatitra tany. Ilay kamiao izay mbola teo am-panaovana “manoeuvre”.

Nalefa any amin’ny hopitaly ny maty sy ny naratra tamin’ity loza ity.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.