Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Festival d’art urbain »: hosantarin’ny tarika Mapingo

« Festival d’art urbain »: hosantarin’ny tarika Mapingo

Anisan’ny hanamarika ny tontolon’ny zavakanto, amin’ity faran’ny herinandro ity, ny fanombohan’ny « Festival d’art urbain », hetsika enti-maneho ny zavakanto an-tanàn-dehibe sy fotoana iray ihaonan’ireo mpikolo ity karazan-javakanto ity, avy eto an-toerana sy avy any ivelany.

Hosokafana amim-pomba ofisialy, androany, ny andiany fahadimy amin’ity « festival », karakarain’ny Is’Art galerie etsy Ampasanimalo, ity. Hisantatra ireo hetsika samihafa ny tarika Mapingo, ahitana tanora manan-talenta telo mianadahy, mitrandraka sy mivoy ny mozika mifangaro, toy ny « funky », « roots », jazz, rock, miampy gadona tena malagasy, toy ny tsapiky sy ny salegy.

Tarika mbola tena tanora ny Mapingo, raha ny fotoana niorenany, saingy manana aingampanahy miavaka, azo ambaboana ny mpankafy mozika. Mazava ho azy fa etsy amin’ny Is’Art galerie no hanatontosana ny seho, anio hariva. Heverina fa hafana sy hampiala voly ity fihaonana voalohany, eo amin’ny tarika sy ny mpankafy mozika, amin’ity taona ity,

Tsiahivina fa toerana sy foibe maromaro no handray ireo fampirantiana, seho, fandefasana horonantsary, famoronana mivantana, sns, izay tafiditra ao anatin’ny « Festival d’art urbain », eto Antananarivo. Haharitra roa herinandro ny hetsika, izany hoe tsy hifarana raha tsy ny 4 novambra, ary handraisan’ny mpanakanto maherin’ny 20 anjara.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.