Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

ATT – Zotra Ivato: tsy mbola nankatoavina ny saran-dalana 800 Ar

ATT – Zotra Ivato: tsy mbola nankatoavina ny saran-dalana 800 Ar

Nanambara ny tomponandraikitry ny Antokon-draharaha misahana ny fitateran an-tanety (ATT) fa tsy mbola nisy ny fihaonana teo amin’izy ireo sy ny mpitantana ny kaoperativa misahana ny fitaterana olona amin’ny zotra mampitohy an’Antananarivo sy Ivato. Tokony hialohavan’ny dinidinika hatrany fanapahan-kevitra hampiakatra saran-dalana 15 andro mialoha ny fanambarana ampahibemaso fa hiroso amin’ny fanondrotana ny mpitatitra. Nilaza ny mpitatitra amin’ny kaoperativa telo miasa amin’io zotra io fa hisondrotra ho 800 Ar ny sara-dalàna noho ny fiakaran’ny vidin’ny solika.

Vokany, tsy mbola nahazo ny fankatoavana avy any amin’ny ATT ny fanondrotana ny saran-dalana ho 800 Ar, manomboka ny 29 oktobra ho avy izao. Nisento indray ny mpanjifa sy mpampiasa ny taxi-be amin’ireo zotra ireo, manoloana ny fanazavan’ny ATT. Maro ireo mpandeha nilaza fa ambony loatra ny fampiakarana 800 Ar nefa ny karama tsy nihetsika, indrindra ho an’ny sehatra tsy miankina.

Randria

Les commentaires sont fermées.