Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asa an-tsambo: fandraisana tanora hiofana any Londres

Asa an-tsambo: fandraisana tanora hiofana any Londres

Natao, omaly sy anio teto Antananarivo, ny sivana handraisana tanora (18 hatramin’ny 45 taona) hiasa anaty sambo mpitondra mpandeha. Mikarakara azy ny sekoly iray, Two healing hands Mada, miara-miasa amin’ny sampandraharaha iray atsy amin’ny Nosy Maorisy. Mikasika ny fikarakarana taovolo, tarehy, vatana, sy ny mifandraika aminy ny sampam-piofanana, mila hain’ireo kandidà, ary anisan’ny fepetra voalohany takina ny fianarana teny anglisy. Nilaza ny tompon’andraikitr’ity sekoly ity, fa afaka ampianaran’izy ireo teny anglisy ny mpianatra, miampy ny fiofanana voalaza etsy ambony. Maharitra efa-bolana ny fiofanana omena eto an-toerana.

Manao ny sivana eto Madagasikara ny vahiny mpampiofana avy any amin’ilay sekoly any Londres. Aorian’ny sivana, maharitra efatra herinandro ny fiofanana harahina Londres Angletera. Hampianarina azy ireo ny fiainana samihafa eny ambony sambo sy ny asa hataon’ny mpiasa. Manodidina ny 5,4 tapitrisa Ar hatramin’ny 9 tapitrisa Ar ny karaman’ny mpiasa raha voaray soa aman-tsara. Fantatra fa efa nisy efatra ny Malagasy efa lasa miofana any, ary hisy sivana hafa amin’ny volana novambra ho avy izao, ary amin’ny volana febroary 2019 ihany koa.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.