Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankotrofotsy: dahalo valo maty voatifitry ny polisy

Ankotrofotsy: dahalo valo maty voatifitry ny polisy

Nirefodrefotra ny poa-basy tao amin’ny fokontany Ankotrofotsy Antsalova, ny talata 16 oktobra 2018 maraina lasa teo. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny kaomisarian’Antsalova, naharay antso momba ny fisiana andian-dahalo manao fanafihana mitam-piadiana sy maka takalon’aina tao amin’ity fokontany ity. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny polisy taorian’izay ka nifanehitra tamin’ireo dahalo tao amina kizo iray ao an-toerana. Voalazan’ny polisy hatrany fa naka takalon’aina roa ireto andian-dahalo ireto, niaraka amin’ny omby avy nangalarin’izy ireo. Lasan’ireo malaso nataon’izy ireo takalon’aina ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany vao enim-bolana. Naharitra ora telo ny fifandonana tamin’ireto andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ireto. Tsy nanaiky hosamborin’ny polisy ry zalahy fa niezaka nanohitra tamin’ny alalan’ny tifitra variraraka hatrany. vokany, lavon’ny polisy ny dahalo valo lahy. Tafaverina soa aman-tsara tsy nisy naninona izy mianaka natao takalon’aina. Tafaverina tamin’ny tompony ihany koa ireo omby miisa 30 mahery, nalain’ireo dahalo.

Dimy lahy matin’ny zandary, basy roa sarona

Dahalo dimy lahy ihany koa maty voatifitry ny zandary tany Marovoay. Mpivarotra iray no notafihan’ny dahalo tao Tsararano Marovoay omaly hariva tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany. Lasan’ireo ny vola 11 tapitrisa Ar sy ny vola lafo azo tontolo andro. Tsy lasa lavitra anefa ireo jiolahy fa voaantso ara-potoana ny zandary ka raikitra ny fifanjevoana. Voatifitra ny dimy lahy tamin’ireo jiolahy ka maty avokoa. Mbola sarona teny amin’izy ireo ny basy roa sy ny famaky. Mitohy ny fanadihadiana na izany aza.

 

J.C

Les commentaires sont fermées.