Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toliara: jiolahy raindahiny maty voatifitry ny polisy

Toliara: jiolahy raindahiny maty voatifitry ny polisy

Maty rotiky ny balan’ny polisy tao Mahavatse Toliara, ny alahady alina teo, ny jiolahy raindahiny nampihorohoro ny tanànan’i Toliara. Mbola nahitana basy vita gasy iray teny aminy…

Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana ity lavon’ny polisy ity. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, tany Mahavatse Toliara no nisehoana fanafihana mitam-paidiana nataon’ireo andian-jiolahy, tamin’io fotoana io. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny firavaka volamena sy ny telefaonina finday ary fahitalavitra niaraka tamin’ny fitaovana sarobidy hafa. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny polisy, taorian’izay, nisy ny fifanjevoana teo akaikin’ny Ecole Normale ka maty tsy tra-drano ity jiolahy iray ity. Hita teny aminy nandritra ny fisavan’ny polisy ny basy vita gasy iray niaraka tamin’ny bala. Nohamafisin’ny polisy fa vao nivoaka ny fonja ity jiolahy ity kanjo niverina nanohy ny asa ratsiny indray taorian’izay. Eo am-pikarohana ireo namany tompon’antoka niaraka taminy tamin’ity fanafihana ity ny polisy. Miverina indray tato ho ato ny asan-jiolahy mitam-piadiana , matetika rehefa faran’ny herinandro ny fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny izay eritreretin’ireo jiolahy fa fotoana tsy hiasan’ny polisy. Nanambara kosa ny polisy fa vonona hatrany izy ireo amin’ny fiatrehana ireo jiolahy mitam-piadiana mahery vaika tsikaritra fa mampitondra faisana ny tanànan’i Toliara.

CMS sy J.C

Les commentaires sont fermées.