Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: 20 taona an-tranomaizina i Tiandrazana

Toamasina: 20 taona an-tranomaizina i Tiandrazana

Nafana ny adihevitra tao amin’ny lapan’ny Fitsarana ambony, ny zoma 12 oktobra 2018 lasa teo, nandritra ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava nitsarana ny antontan-taratasin’ady izay hanenjehan’ny fitsarana an-Rafanomezana Isidore Adolphe sy Tiandrazana Thierry voarohirohy tamin’ny fikasana hanao fanafihana mitam-piadiana tao Andranomadio Toamasina parisela 11/43, ny 2 septambra 2018 alina. Naharitra adim-pamantaranandro iray ora sy sasany be izao ny fifandaharana teo amin’ny voampanga sy mpisolovava ary ny fitsarana. Tsy tonga kosa ny mpitory, na koa ny tokantrano saika hotafihin’izy ireo tamin’io alina io. Naharitra 35 mininitra ny fandinihan’ny mpitsara ny didy havoaka ho an’ireo voampanga tao amin’ny efitrano faharoa ny fitsarana ambony Toamasina. Vokany, nilatsaka ny sazy ka voaheloka 20 taona an-tranomaizina sy tsy fahazoana mandia faritany no azon’i Tiandrazana Thierry. Vesatra nihazonan’ny fitsarana azy ny fihazonana sy fampiasana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana. Telo taona an-tranomaizina sazy mihatra sy fandoavana lamandy 3 hetsy Ar kosa no azon-dRafanomezana Isidore Adolphe.

Sajo

Les commentaires sont fermées.