Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rajoelina tany Marovoay sy Maevatanana ary Ankazobe: “Hataontsika anatin’ny fotoana fohy ny fampandrosoana”

Rajoelina tany Marovoay sy Maevatanana ary Ankazobe: “Hataontsika anatin’ny fotoana fohy ny fampandrosoana”

Marovoay sy Maevatanana  ary Ankazobe indray ny distrika nandalovan’ny  kandidà laharana faha-13, omaly. Naompana amin’ny andavanandron’ny mponina amin’ireo faritra ireo ny  lahateny sy ny fampanantenana nataony amin’izao fampielezan-kevitra izao. “Hataontsika ao anaty fotoana fohy ny fampandrosoana tsy hitantsika nandritra ny 58 nahazoana ny  Fahaleovantena. Hametrahana tohodrano goavana indrindra eto ahafahantsika mampiroborobo ny fambolem-bary. Tanjona ny  hampitomboana ny vokatra ka hanondranantsika vary atsy ho atsy fa tsy ho mpanafatra tahaka izao  intsony »,  hoy izy  tao Marovoay. Anisan’ny nampitaraina ny mponina ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa lehibe ka maina  tanteraka ny tanimbary. Anisan’ny sompitra eo amin’ny voka-bary anefa iny faritra  iny.

Hihena  hatrany amin’ny  25% ny vidin-jiro…

Ankoatra  izany, nanteriny  koa fa hofoanana ny fanondranana omby any ivelany.

Anisan’ny noresahiny tao Ankazobe ny olan’ny delestazy.  “Hampitomboina ny famokarana herinaratra. Hametrahantsika foibe lehibe famokarana izany avy amin’ny masoandro sy ny  rivotra eto. Hitondra fahazavana isan-tokatrano aho. Hihena 25% ny vidin-jiro. Hotanterahina avokoa ny ambara rehetra. Izaho tsy mba mpamitaka, tsy mandainga ary tsy mangalatra », hoy ny mpanorina ny IEM. Nampanantena ny tenany fa  hanangana EPP manara-penitra, ahitana “parking”, kianja marolafy sy efitra ho an’ny informarika, ahitana ordinatera.  Hametraka toeram-pidiovana. Eo koa ny fampidinana ho 30%  ny vidin’ny simenitra amin’ny alalan’ny orinasa telo hamokatra izany.

Hanafatra helikoptera miisa  10

Ny fanafarana angidimby 10 hiady amin’ny tsy fandriampahalemana, miaraka amin’ny hery  vonjy taitra manokana. Hatao manaraka fenitra ny hopitaly ary omena fiara mpitondra marary ny ao Ankazobe.  Nohitsiny fa afa-mitondra ny firenena, nandritra ny dimy taona ny tenany ka tsy mitady fahefana sy voninahitra. “Mijoro noho ny fitiavan-tanindrazana ao anatiko  aho. Horesentsika manomboka amin’ny 7 novambra ny firenena rehetra aty Afrika…  Hanao ny tratry ny aiko iray manotolo aho  hanavotana an’i Madagasikara ity”, hoy ihany izy.  Namaranany izany rehetra izany ny filazany  fa  hitondra fahazavana sy vahaolana ny tenany. Tsy mendrika ny hahantra ny vahoaka ary tsy tokony hahantra isika fa nampahantraina, araka  ny  nambarany.

Randria

Les commentaires sont fermées.