Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miditra amin’ny  herinandro  faharoa: tsy hita popoka amin’ny  propagandy ireo kandidà  sasany

Miditra amin’ny  herinandro  faharoa: tsy hita popoka amin’ny  propagandy ireo kandidà  sasany

Sady tsy hihira no tsy hanao tsianjery, amin’izao herinandro  faharoa izao. Telo sy efatra ihany amin’ireo kandidà 36 ny hany hita fa tena mihazakazaka amin’ny fampielezan-kevitra,  tamin’ny  herinandro voalohany. 

Tsy hita ny nanjavonan’ireo kandidà sasany.  Tsy fantatra, na misedra olana eo amin’ny  ho enti-manana, na koa tsy manana tompon’andraikitra misahana  ny  serasera fa tsy tazana ny maro amin’izy ireny. Tsy heno amin’ny haino aman-jery sady tsy hita any anaty tambajotran-tserasera. Mety misoko mangina  any an-tany lavitra andriana koa anefa ny sasany. Ny  hafa indray, manezakezaka any amin’ ny  faritra niaviany.  Ohatra, ny kandidàn’ny  PSD, Bezaza Eliana any amin’ny faritra Sofia. Tahaka izany, ny kandidà  Ravelonarivo Jean  sy ny Aba tarihiny, nanao ny tany Atsimo Atsinanana, tanindrazany. Anisany koa Rajaonary Erick efa nanao  tany Fandriana, saingy hatreo ihany.

Ny amiraly Ratsiraka indray,  miaraka amin’ny kandidà hafa amin’ny fiara iraisana ny fampielezan-kevitra ataony, saingy tamin’ny fanombohana ihany. Izy aza moa tsy hita fa ny zanany no mitarika  izany. Tsy hita intsony  anefa avy eo.

Mandany andro amin’ny fitsikerana fitondrana

Ankoatra ireo, mitamba-dratsy mandany andro mitsikera ambony ambany ny lisi-pifidianana ireo vondron’ny  kandidà 22. Anisan’ny mitarika izany, i Fanirisoa Ernaivo  sy i Tabera Randriamanantsoa ary Ramaroson Arlette. Ny sisa indray, miantehitra amin’ny  fandaharana amin’ny TVM/RNM hisehoana fotsiny.  Hatreo ihany… fa tsy mihetsika manao propagandy intsony. Ireo mba ambara fa olom-baovao, na teknisianina, tsy hita sy tsy heno…

Amin’ny ankapobeny, tsy mazava ny tian’ny ankamaroan’ireo kandidà  hahatongavana amin’izao fifidianana izao. Tsy niomana akory ? Matoa anefa mirotsaka,  miandrandra fandresena, na fara faharatsiny,  miverina ny vola rehefa  mahazo ny 10%. Tsy izany anefa ny maro amin’izy  ireo, na efa nandoa anto-bola 50 tapitrisa Ar  nirotsahana aza.  Ny hafa indray, hivarotra ny mpifidiny, na ny vatony amin’ny volabe miliara amin’ireo kandidà tafiditra fihodinana faharoa. Hanao fanambarana fanohanana koa ny hafa ka sitrany ahay seza iray ho minisitra…

11 ireo helikopteran’ireo kandidà

Etsy andaniny anefa, misongadina ireo kandidà “lehibe” amin’ny hetsika ataony. 11 rahateo ireo angidimbin’ireo kandidà vitsivitsy nahazo alalana hisidina hanao fampielezan-kevitra. Manampy ireo ny fizarana kojakoja samihafa, toy ny  tee shirt , ny gazety, ny boky kely , ny saina, ny fehitenda… Eo koa ny hira tsy an-kiato sy ny fanentanana amin’ny  haino aman-jery,  ankoatra ny fanetsehana eny ifotony ireo mpanohana…

Araka  izany,  hiavaka sy ho hafa ity fifidianana  indray mandeha ity. Na izany aza, mbola misy herinandro efatra, mety hanova zavatra.

Synèse R.    

 

Les commentaires sont fermées.