Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karate: nanjaka ny seksiona Antananarivo renivohitra

Karate: nanjaka ny seksiona Antananarivo renivohitra

Tontosa ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja mitafo ny Mahamasina, ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga. Fifaninanana izay nadraisan’ny seksiona miisa 7, nahitana an’Antananarivo renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ankazobe, Anjozorobe, Marovatana ary Manjakandriana. Voafaritra tamin’izay fa ny seksiona Antananarivo renivohitra no hisolo tena an’Analamanga amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja karate, noho ny fahazoany ny medaly betsaka indrindra.

Medaly volamena miisa 10 no azon’ity seksiona ity ary nisongadina hatrany ireo mpikatroka tao aminy, na teo amin’ny kata izany, na teo amin’ny kumite. Samy nanome ny tsara indrindra avy aminy avokoa ny sokajy lahy sy vavy ka nazava ny fandresena. Mitàna ny laharana faharoa kosa ny seksiona Anjozorobe izay nahazo medaly volamena miisa 4. Ny seksiona Antananarivo renivohitra araka izany no hisolo ten any ligin’Anlamanga amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly amin’ny taranja karate.

 

Mi.Raz

 

Valin’ny fifaninanana ny alahady 14 oktobra

Kata :

Cadettes: 1-Gracia (Tana Ville) 2-Nomena (Avaradrano)

Cadets : 1-Motozo (Tana Ville) 2-David (Marovatana)

Juniors Vehivavy : 1-Junko (Avaradrano) 2-Lanjaniaina (Tana Ville)

Juniors Lehilahy : 1-Mamy (Tana Ville) 2-Adore (Avaradrano)

Seniors Vehivavy : 1-Kanto (Tana Ville) 2-Vetso (Tana Ville)

Seniors Lehilahy : 1-Andofitahiana (Tana Ville) 2-Kevine (Tana Ville)

Kumite :

Cadettes : 1-Tsiory (Tana Ville) 2-Natacha (Marovatana)

Cadets : 1-Jarry (Manjakandriana) 2-Mitojo (Tana Ville)

Juniors Lehilahy: 1-Mamy (Tana Ville) 2-Jimmy (Ankazobe)

Juniors Vehivavy: 1-Victoria (Marovatana) 2-Sarah (Avaradrano)

Vehivavy: -50 kg: 1-Fabby (Anjozorobe) 2-Tiavina (Avaradrano) -55 kg: 1-Raitra (Anjozorobe) 2-Fitia (Ankazobe) -61 kg: 1-Manuella (Tana Ville) 2-Vatosoa (Anjozorobe) -68 kg: 1-Patty (Avaradrano) 2-Alicia (Ankazobe) +68 kg: 1-Diana (Manjakandriana) 2-Antsa (Anjozorobe)

Lehilahy: -60 kg: 1-Tanjona (Avaradrano) 2-Tsiry (Marovatana) -67 kg: 1-Billy (Tana Ville) 2-Billy (Avaradrano) -75 kg: 1-Njaka (Anjozorobe) 2-Ali (Ankazobe) -84 kg: 1-Dina (Anjozorobe) 2-Diary (Avaradrano) +84 kg: 1-Valera (Tana Ville) 2-Toky (Ankazobe).

 

Les commentaires sont fermées.