Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohimanambola: lehilahy iray tratra nisandoka ho polisy

Ambohimanambola: lehilahy iray tratra nisandoka ho polisy

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Sut (Sûreté urbaine de Tananarive), ny faran’ny herinandro teo, ny lehilahy iray nisandoka ho polisy ka mampitahotra sy maka vola amin’ireo olona izay tratrany. Araka ny fanazavan’ny polisy, eny amin’iny faritra Ambohimanambola iny no tena fanaovan’ity polisy sandoka ity ny asa ratsiny. Miambina ireo olona mivoaka ny trano fandraisam-bahiny ireny izy ary mampitahotra ireo olona ireo fa misy fitoriana azy any amin’ny polisy izay napetraky ny vadin’izy ireo ka mila manome vola azy ireto olona tratra ireto fa raha tsy izany hosamboriny avy hatrany izy ireo. Efa ho herintaona izao no nanaovan’ity jiolahy ity izao fita-dratsy ataony amin’olona izao ary maro ny fitoriana voarain’ny polisy momba azy sy ny asa ratsiny. Nametraka ny vela-pandrika avy hatrany ny polisy ka noraisim-potsiny izy. Rehefa natambatra ny vola nalain’ity lehilahy ity tamin’ireo olona rehetra nitory azy dia efa nahatratra eo amin’ny 5 tapitrisa Ar teo ho eo, araka ny fanazavan’ny polisy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotoran’ny polisy.

J.C

Les commentaires sont fermées.