Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vokatra Ikolo: zavamaniry no akora fototra ampiasaina

Vokatra Ikolo: zavamaniry no akora fototra ampiasaina

Efa miroso amin’ny fananganana orinasa ho an’ny tenany ny tanora malagasy amin’izao fotoana izao. « Sarotra sy maro ny dingana arahina raha hametraka orinasa manaraka ny rafitra, na eo amin’ny hetra fotsiny fa tsy atao mahakivy », hoy Rakotomalala Norohariliva Holiniaina, tanora mpandraharaha tompon’ny orinasa Ikolo, nanomboka ny taona 2015. Tao anatin’ny roa taona voalohany niasany, tsy nahazo tombony mihitsy ny orinasa nefa nanohy namokatra hatrany satria nisy ny mpanjifa eto an-toerana sy any ivelany efa zatra nampiasa ny vokatra Ikolo. Orinasa mpamokatra savony, menaka, sérum ny Ikolo miavaka amin’ny fampiasana ny akora voajanahary. Manomboka amin’ny fambolena ny akora fototra (zavamaniry) hatramin’ny fangaro laroina dia manaja ny vokatra voajanahary (Bio) avokoa. Sady miaro ny fahasalamana no miaro ny tontolo iainana ny tanjona amin’ny famokarana akora hikojana ny vatana sy ny volo ary ny tarehy. Ny tavoahangy misy ny akora amidy eny amin’ny mpanjifa koa mbola raisin’ny mpiandraikitra ny Ikolo,  avy eo, ampiasaina indray. Ny menaka mampaniry volo “Castonion” sy ny savony no vokatra voalohany, ny taona 2015 tamin’ny anarana Green Youth. Niampy sérum sy menaka amin’ny volo sy ny tarehy ny vokatra amin’izao fotoana izao. Eo koa ny savony karazany dimy. Tongolo, kinana, menaka avy amin’ny zavamaniry, kafe… ny akora kirakiraina ho an’ny volo. Dimy ny mpiara-miasa mampihodina ny orinasa Ikolo, araka ny  fanazavana nentiny, omaly, teny Andohalo.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.