Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – « Open International »: tompondaka, olon-droa vehivavy, i Zarah sy Nantenaina

Tenisy – « Open International »: tompondaka, olon-droa vehivavy, i Zarah sy Nantenaina

 

Nifarana, omaly, zoma 12 oktobra ny lalao an’olon-droa, sokajy vehivavy, amin’ny fifaninanana “Open International”, tohanan’ny BMOI/AIR FRANCE, tontosaina eny ammin’ny kianjan’ny Country Club Ilafy. I Zarah sy i Nantenaina no tompondaka tamin’ity sokajy ity rehefa avy nandavo an’i Rachel sy i Elodie, teratany frantsay tamin’ny seta 2 noho 0 (6/3 6/2). Ho an’ny sokajy lehilahy kosa indray, hiatrika ny lalao famaranana, anio, ny ekipan’i Jacob sy i Antso, hifampitàna amin’i Ando sy i Miarizo. Ity lalao ity izay andrasan’ny maro fatratra noho ny fahaiza-manaon’ny mpilalao tsirairay.

Ankoatr’izay, ho hita ao anatin’ny fandaharan-dalao, anio, ihany koa ny manasa-dalana eo amin’ny lalao an’olon-tokana lahy sy vavy. Ho mafimafy ny adin’ny vehivavy gasy amin’ity satria ny mpilalao frantsay, i Rachel no hifanandrina amin’i Sariaka ary i Elodie kosa no hifampitady amin’i Nantenaina.

Ho an’ny lehilahy olon-tokana kosa, ny samy Malagasy ho hiady amin’ny tapany voalohany amin’ny lalao manasa-dalana, dia i Ando sy i Antso. Ilay teratany frantsay Quennessen Louis no hifampitàna amin’i Franco Matthias, teratany arzantin. Anisan’ny lalao hiady ihany koa ireto farany satria efa samy manana traikefa sy teknika ambony avokoa ny andaniny sy ny ankilany.

Marihina fa hifarana ny alahady 14 oktobra ho avy izao ity fifaninanana “Open International” an’ny BMOI/ AIR FRANCE ity.

 

Mi.Raz

 

Fandaharan-dalao ho amin’ny anio, asabotsy 13 oktobra

Manasa-dalana, vehivavy olon-tokana:

Girard Rachel vs Radilofe Sariaka

Busson Elodie vs Ramalalaharivololona Nantenaina

 

Manasa-dalana lehilahy olon-tokana:

Rakotondramanga Antso vs Rasolomalala Ando

Quennessen Louis vs Fetit Franco Matthias

 

Famaranana lehilahy an’olon-droa :

Rasolomalala Ando/Rakotondramboa Miarizo vs Rakotondramanga Antso/Rasolondrazana Jacob

Les commentaires sont fermées.