Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seho goavana ny famaranana: hikatona anio ny Madajazzcar 2018

Seho goavana ny famaranana: hikatona anio ny Madajazzcar 2018

Tao anatin’ny folo andro, mpanakanto sy vahiny maro no nifandimby teny an-tsehatra. Voatazona hatrany ilay endrika fifanakalozana.

Hofehezina ao anatina seho goavana iray ny Festival International Madajazzcar andiany faha-29, anio. Fampisehoana hotontosaina ao amain’ny kianja mitafon’Imahamasina, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Ankoatra ny halehiben’ny toerana, « lehibe » ihany koa ny handray anjara, na ho an’ny Malagasy izany, na ho an’ireo vahiny nasaina :

– Tarika Or’Pair (Lauréat Tremplin Madajazzcar 2018), ahitana an’i Vahantsaina Randriamiadana (gitara 7 cirdes sy Tantely Ny Aina Rasoloarimanana (gitara)

– Sanda Group feat. Sity Rakoto (Madagasikara) : Sanda Ranaivosoa (gitara), Sity Rakoto (hira), Tahiry Ranaivosoa (basse), Nini Rabaroel (amponga maroanaka)

– Sebastian Studnitzky (Allemagne) : Josia Rakotondravohitra (amponga maroanaka), Andry Michael Randriantseva (vatamaroafitsoka), Joro Rakotozafiarison (gitara), Njaka Rakotonirainy (vatamaroafitsoka)

– Philip Maniez (USA-Madagasikara) : Philip Maniez (amponga maroanaka), Hasina Rakotoarimalala (saksofona), Fy Rajaofetra (vatamaroafitsoka), Henintsoa “Hents” Andriamasimanana (basse)

– Samy Andriamanoro (Madagasikara) : Samy Andriamanoro (vatamaroafitsoka), Tahiry Andriamanoro (amponga maroanaka), Bernard Houzefà (basse)

– Ancient Agents (Afrika Atsimo) : Reza Khota (gitara), Schalk Joubert (basse), Fredrik Gille (riq, frame drum, cajun, la percussion), Ronan Skillen (tabla, didgeridoo, percussion)

– Rolf & Imiangaly (Madagascar) : Rolf (basse, hira), Imiangaly (hira), Njaka Rakotonirainy (vatamaroafitsoka), Mamy Rajaonarivelo “Junior” (amponga maroanaka)

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.