Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

PM Ntsay Christian: « Aoka tsy hifandrangitra »

PM Ntsay Christian: « Aoka tsy hifandrangitra »

Fampatsiahivana.  Notsiahivin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay  Christian  ny  foto-kevi-dehiben’ny fampielezan-kevitra amin’izao fotoana  izao.  Nanteriny ary nohamafisiny  ny andinin-dalàna mifehy ny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, indrindra ny maha-zava-dehibe ny fanajana ny soatoavina malagasy.  “Eo ny firaisam-pirenena sy ny fihavanana. Tsy tokony hisy ny fifampiantsiana sy ny fifandrangitana eo amin’ireo samy kandidà sy ny mpomba azy.  Tokony hotandrovana mandrakariva ny filaminam-bahoaka”, hoy hatrany izy.

Ankoatra izany, nomeny toromarika ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny amin’ny handraisana andraikitra feno ao anatin’ny tsy fitanilana. “Hotandrovana ny zon’ny kandidà rehetra tsy ankanavaka ary afaka haneho hevitra an-kahalalahàna  sy tsy voatohintohina hisorohana ny mety hisian’ny korontana any amin’ny faritra iadidian’izy ireo tsirairay avy”, hoy  ihany izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.