Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpifankatia nisy namono teny Tanjombato: tratra ireo jiolahy telo nikotrika ny famonoana

Mpifankatia nisy namono teny Tanjombato: tratra ireo jiolahy telo nikotrika ny famonoana

Ireto jiolahy hita amin’ny sary ireto no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo mpifankatia (zanaka manamboninahitra ilay tovolahy) hita faty rehefa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana teny Tanjombato, ny volana aogositra lasa teo.

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava eny Fiadanana ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana mpifankatia teny Tanjombato, ny volana aogositra 2018 lasa teo. Araka ny fanazavan’ny zandary, ny 3 aogositra 2018 lasa teo no nahitana ny fatin’ireto mpifakantia ireto teny amin’ny lakandranon’Andranovaky Tanjombato izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Notsatotsatohina antsy ny vatan’izy ireo iray manontolo nandritra ny fizahana ny razana. Noraisin’ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) ny raharaha momba ity vonoan’olona ity. Taty aoriana anefa, nangataka ny hamindrana ny raharaha eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny fianakaviana. Ny famotoran’ny zandary no nahitana fa ny 2 aogositra 2018, nifanoratra tamin’ny alalan’ny “facebook” tamin’ny namany iray mipetraka eny Tanjombato ilay tovovavy namoy ny ainy. Hividy ordinatera aty Antananarivo no tena anton-diany ka hitsena sy hampiantrano azy io namany io. Niaraka tamina lehilahy roa hafa anefa ilay nitsena ary nikasa hangalatra ilay vola saika hividianana ordinatera izy ireo. Nitsena io tovovavy sakaizany io koa anefa ny olon-tiany ka novonoin’izy telo lahy tamin’ny fomba feno habibiana. Niara-maty ireto mpifankatia ireto tamin’io fotoana io. Naboridan’ireo nahavanon-doza ny fatin’ilay tovavavy. Nohamafisin’ny zandary anefa fa tsy nisy vola tany amin’izy ireo fa aty Antananarivo vao haka vola hividianana ilay ordinatera . Nosamborina tao amin’ny toeram-piasany eny amin’ny Zone Franche eny Tanjombato izy telo lahy mpamono olona ireto. Niaiky izy ireo fa tena namono ireto mpifankatia ireto.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.