Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kandidà Rajoelina tao Sambirano sy Nosy  Be: « Mila mpitondra sahy sy vonona  ary hentitra ny firenena »

Kandidà Rajoelina tao Sambirano sy Nosy  Be: « Mila mpitondra sahy sy vonona  ary hentitra ny firenena »

Anjaran’ny tany amin’ny faritr’i Sambirano Ambony sy Nosy Be indray ny nandray ny kandidà Rajoelina,  omaly. « Sahiko ny milaza amintsika  fa izaho samy irery no mpitondra afaka ny hanafoana tanteraka ny tsy fandriampahalemana . Mila olom-panjakana vonona sy sahy ary hentitra  ny  firenena”,  hoy izy tamin’ireo faritra ireo.  Notsindriny manokana fa olon’ny vanim-potoana ny tenany ary tsy hamindra fo amin’ireo dahalo sy mpandroba ary mpamono olona. “Mampitandrina azy ireo ny tenako fa tapitra hatreto ny asa fampihorohoroana” , hoy ihany izy.  Nialoha izany, ny nandalovany tao Ambilobe, afakomaly ka nilazany fa hitady ny fomba rehetra ny mpanorina ny IEM  ahafahan’ny mponina misitraka ny harena amin’iny faritra iny. “Harotsaka manontolo ho an’ny mponina ny 5 % amin’ny vola miditra ary hamatsiantsika vola ireo fotodrafitrasa hanova ny fiainana andavanandro”, hoy ihany izy.

Hotanterahina avokoa ny vinanasa… 

Nanteriny fa tsy ho diso anjara amin’ny asa fampandrosoana ihany koa ny tanàna an’Ambilobe sy ny mponina ao aminy. Tsy maintsy hotanterahiny avokoa ireo vinanasa nambarany tamin’ny fitetezam-paritra sy amin’izao fampielezan-kevitra izao, araka ny nambarany. “Hamboarintsika ny lalana ahazoan’ny isan-tokantrano herinaratra amin’ny vidiny mirary.  Tanjona, i Madagasikara mandroso ary Malagasy miaina am-pilaminana”, hoy izy. Hihazo ny ao an-dRenivohitr’i Boeny ny kandidà Rajoelina, anio ary hihaona amin’ny vahoakan’i Mahajanga.

Randria

Les commentaires sont fermées.