Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetsiky fiangonana: haneho ny Haona Fi ny FJKM

Hetsiky fiangonana: haneho ny Haona Fi ny FJKM

Hiavaka tanteraka. Hoentin’ny F JKM eny amin’ny « village Voara »  Andohatapenaka ny hetsika « Haona Fi ». Hanomboka  ny 1 hatramin’ny  3 novambra izao izany. 

Hisokatra  ho an’ny daholobe.  « Natao hanehoana ny fiombonana sy fifankatiavana izany nefa koa ahitana tsena amin’ny  trano heva  samihafa maherin’ny 200 ho an’ny entana  ilaina amin’ny fiainana andavanandro », hoy ny tompon’andraikitra mpikarakara  tetsy amin’ny foibe F JKM, Analakely, afakomaly.  Anisan’ny ho hita sy azo jifaina amin’izany ny kojakojan-dakozia,  ny karazana sakafo amin’ny endriny samihafa.  Eo koa ny fitaovam-pianarana amin’izao efa  hidirana amin’ny  taom-pianarana vaovao izao. Tsy hadino koa anefa  ny resaka informatika sy ny kojakoja mifanaraka amin’izany eo amin’ny tontolon’ny teknolojia.  Manampy izany ny taozavatra sy ny karazana asa tanana maro isan-karazany.

Fivahinianana atsy amin’ny  Nosy Maorisy

Tsy vitan’izany  fa eo ny tontolon’ny fahasalamana  ka anisan’izany ny fitiliana diabeta sy ny Sida. Ny fitsapana tosidra  maimaim-poana miaraka amin’ny torohevitra samihafa. Amin’ny maha fiangonana ny FJKM kosa, hisy ny  fifaninana Soratra Masina  sy ny fahalalana ankapobeny. Ny fampisehoana an-tsehatra sy fialamboly ho an’ny sokajin-taona  rehetra. Ahazoana valisoa mihazo ny atsy amin’ny Nosy Maorisy ny fifaninana hatao eny an-toerana amin’io fotoana  io.

 Synèse R.

Les commentaires sont fermées.