Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiatrehana ny fifidianana: hanohana an-dRajoelina  koa ny Fanamby 88

Fiatrehana ny fifidianana: hanohana an-dRajoelina  koa ny Fanamby 88

Manao ranolava. Nanao  fanambarana  koa ny fikambanana politika  Fanamby  88 eny anivon’ny distrikan’Ambohidratrimo amin’ny alalan’ny filohany, Ratsimbazafy Luc. “Nanapa-kevitra izahay fa  hanohana ny  kandidà Rajoelina rehefa nandinika sy namakafaka ny raharaham-pirenena tamin’ny alalan’ny fivoriambe nataonay. Niainga avy amin’ny hetaheta  sy fanirian’ireo mpikambana eo anivon’ny kaominina  24 izany noho ny fahitana fa   mamaha ny olana eny ifotony ny vina IEM”, hoy  izy tetsy Maibahoaka, Ivato, omaly. Nambarany fa efa niasa sy nihodina ny foiben-toeran’ny Fanamby 88 eny an-toerana  ary efa nihetsika nanao fampielezan-kevitra ny ekipa rehetra, hatramin’ny fiantombohan’ny herinandro teo.

Tsiahivina fa arifomba sy ampy fitaovana ary mahafeno ny fepetra  rehetra izany foiben-toerana izany, indrindra amin’ny fandraisana ireo mpanohana amin’izao fampielezan-kevitra izao.

Randria

Les commentaires sont fermées.