Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiainam-pikambanana: hijery ny sahirana  ny  MMD

Fiainam-pikambanana: hijery ny sahirana  ny  MMD

Tsy misy resaka politika  fa asa sosialy ranoiray. “Tanjonay ny hijery  ny fahasahiranan’ireo marefo eto amin’ny firenena. Antony nampijoroana ny  vovonan’ireo fikambanana maromaro mivondrona mitovy fijery izany”, hoy ny filohan’ny Malagasy miara-dia  (MMD),  Randrianadrasana Adolphe na Baby, omaly.  Anisan’ny hetsika ataon’izy ireo ny fiahiana  manokana ireo ankizy mpirenireny mba haverina  eo anivon’ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny fampianarana asa sy ny fampidirana an-tsekoly azy ireny.  Eo koa  ny fijerena  ireo vehivavy iharan’ny  herisetra sy  voailikilika. “Noraisina ny andraikitra satria ahina hitombo hatrany izany…  “, hoy ihany izy.

Momba ny loharanom-bolan’ny fikambanana kosa,  miainga amin’ny eo an-tanana  izany. Fikambanana maromaro rahateo izy ireo izao mivondrona  hanambatra ny heriny  ho amin’ny fiahiana ny sosialy izao.  “Tsy manao politika izahay ary tsy miditra amin’izao resaka fifidianana izao ny fikambanana… Manana sampana any ivelany  ny MMD, mikaro-dalana amin’ny mpiara-miombona antoka samihafa ahafahana mahazo famatsiam-bola, na  koa fitaovana sy ny maro hafa amin’ny asa ataonay”,  hoy  ihany izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.