Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanakianana ny fikarakarana fifidianana: hamory ireo kandidà ny Ceni  

Fanakianana ny fikarakarana fifidianana: hamory ireo kandidà ny Ceni  

Na efa mandeha aza ny fanatanterahana ny zotram-pifidianana, eo hatrany ny fanakianana etsy sy eroa. Noho izany, hamory ireo kandidà ny Ceni.   

“Ny tena fanakianana raha ny fahahenoanay azy, mifantoka amin’ny zavatra roa: ny momba ny lisi-pifidianana sy ny biraom-pifidianana.” Io ny nambaran’ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, momba ny fanakianana etsy sy eroa ny amin’ny lisitry ny mpifidy sy ny birao fandatsaham-bato.

Mba hanamafy kokoa ny fiaraha-miasa, hihaona mivantana amin’ireo kandidà ny Ceni. Tsy ho ela izany, anio na amin’ny fiandohan’ny herinandro. Efa misy kandidà 17 no tratra antso nanaiky ny fihaonana. “Vonona hatrany ny Ceni hitondra vahaolana hanatsarana ny zotram-pifidianana”, hoy izy.

Na izany aza, nambarany fa raha ny momba ny lisi-pifidianana: sarotra ny fomba mbola hahazoana manokatra indray izany, ka handray ny anaran’ny olona tsy voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao.

Ny amin’ny biraom-pifidianana, hiezaka ny Ceni haneho mangarahara, na efa natao aza izany, nanomboka tamin’ny 29 aogositra: navoaka ho fantatry ny besinimaro ny toerana sy ny isan’ny biraom-pifidianana.

Niainga avy amin’ny tolo-kevitry ny lehiben’ny fokontany any ifotony ny biraom-pifidianana, araka ny fanazavany. Niakatra eo anivon’ny kaominina izany, ary nohamarinin’ny eo anivon’ny distrika. Izay vao nalefa aty amin’ny Ceni foibe, nanaovana ny fanapahana.

Mba hisy porofo sy fahamarinana ny fanakianana

Matoa atao ny fanakianana, ao anatin’ny fandraisana andraikitra ny fiheveran’ny Ceni izany: ikarohana hatrany ny fanatsarana ny zotram-pifidianana. Misaotra izay nanolotra fanakianana izy. Ny antenaina, mba hiaraka amina vahaolana ny fanakianana ary misy porofo sy fahamarinana.

Mihaino ny fanakianana ny Ceni; rehefa avy mihaino sy mahafantatra, manao fanadihadiana: fanaporofoana eny ifotony amin’izay zavatra voalaza ifotoran’ny fanakianana. Raha  mitombina ny fanakianana, miezaka mitady vahaolana ry zareo. Tsy maintsy ao anatin’ny fanarahan-dalàna ny vahaolana amin’izany.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.