Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andohatapenaka: ny mpiambina ihany no namaky ilay fiangonana Sekta

Andohatapenaka: ny mpiambina ihany no namaky ilay fiangonana Sekta

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny PPA3 Ilanivato, afakomaly ireo roa lahy tompon’antoka tamina halatra “groupe electrogène” sy fividianana entana halatra. Araka ny fanazavan’ny polisy, novakin’ny jiolahy ny fiangonana sekta iray eo Andohatapenaka, ny zoma 21 septambra 2018 lasa teo tamin’ny 11 ora maraina. Very tamin’izany ny “groupe electrogène” iray lehibe mitentim-bidy 9 hetsy Ar. Nametraka fitarainana teny anivon’ny polisy eny Ilanivato ny fiangonana ka niantomboka teo ny fanadihadian’ny polisy. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa ny mpiambina ilay fiangonana ihany ny namaky ity fiangonana ity sy naka ilay “groupe electrogène”. Tsy niverina niambina toy ny fanaony intsony koa ity lehilahy mpiambina ny fiangonana ity taorian’io fahavakisan’ny fiangonana io. Nitohy hatrany ny fikarohan’ny polisy azy ka ny alakamisy 11 oktobra 2018 tamin’ny 4 ora tolakandro izy no nisy nahita teo amin’ny toerana fanasana fiara eo Anosipatrana. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny polisy ka noraisim-potsiny ilay mpiambina. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny fakana am-bavany azy fa tena nangalatra ilay “groupe electrogène” ary namidiny 140 000 Ar tamina lehilahy mpivarotra biraokatera eny 67 ha. Nokarohina ihany koa ity mpividy halatra ity ka voasambotra tamin’io fotoana io ihany koa izy. Samy niaiky ny heloka vitany izy roa lahy ireo nandritra ny fisamborana azy . Efa tafaverina tamin’ny tompony kosa ilay entana halatra.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.