Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andatabo – Toliara: nanakan-dalana ny mpianatra, nirefodrefotra ny grenady lakrimozena

Andatabo – Toliara: nanakan-dalana ny mpianatra, nirefodrefotra ny grenady lakrimozena

Manoloana ny fahatapahan’ny fianarana ao amin’ny Oniversite Toliara, indrindra fa ny ao amin’ny fakiolten’ny haisoratra sy ny DEGS dia nanao dia be fanakanan-dalana teny amin’ny RN 7 ireo mpianatra. Araka izany, tapaka nandritra ny antsasa-kadiny ny RN 7, omaly, nanomboka tamin’ny 12 ora antoandro ka hatramin’ny 12 ora sy 30 mn. Tonga teny an-toerana ny filohan’ny Oniversite sy ny mpitandro filaminana nifandresy lahatra tamin’ireo mpianatra izay nanambara fa hiverina amin’ny laoniny, manomboka ny alatsinainy izao ny fampianarana ao amin’ny Oniversite Maninday. Araka ny fampitam-baovao voaray, mpianatra mipetrak aao amin’ny “Campus” no nanatanteraka io fanakanan-dalana io fa ny mpianatra sasany, nianatra ihany ny tapak’andro maraina. Tsy afa-po tamin’ny fifanarahana ireo mpianatra sasany ka nisintona kely, teo no nandray ny andraikiny nanapoaka lakrimozena ny mpitandro filaminana nanala ny sakana teny an-toerana. Tsy nisy naratra ary efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana miditra sy mivoaka ny tanànan’i Toliara. Tsy vitan’izay fa nandoro kodiarana koa ireo mpianatra, nandritra io fotoana io. Antenaina, araka izany, fa hiravona ity olan’ny mpianatra ao Maninday ity. Nandritra ny nilazan’ny Seces fa mikatona ny Oniversiten’i Toliara, ny 14 septambra lasa teo dia nampianatra ihany ny sampam-pampianarana hafa ankoatra ny tao amin’ny Haisoratra sy ny DEGS.

CMS sy J.C

Les commentaires sont fermées.