Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toetr’andro: hitohy ny orana tandrifin-drahona

Toetr’andro: hitohy ny orana tandrifin-drahona

Nilatsaka ny orana, omaly teto Antananarivo. Orana tandrifin-drahona iny, raha ny filazan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Hanao tanik’orana hatrany ny volon’andro eto Antananarivo amin’ity herinandro ity, raha ny fanazavana hatrany.

Amin’ny ankapobeny, hahazo vahana indray ary hatanjaka ny tsioka avy any atsimo atsinanana na ny alizay amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy.  Hihamalefaka izany amin’ny ilany andrefana ary tsy marin-toerana indraindray.

Halefaka na antonony ny orana malefaka any amin’ny morontsiraka atsinanana sy ny ilany andrefan’i Madagasikara. Arahin-kotroka izany indraindray amin’ny tapany atsimon’ny afovoan-tany, manomboka ny alakamisy hatramin’ny fiafaran’ny herinandro.

Hisitraka orana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka, indrindra ny takariva sy alina, ny faritr’i Melaky, i Bongolava ary ny manodidina ny tangoron-tendrombohitra Menabe sy Atsimo Andrefana. Ho mafimafy kosa ny fitsokan’ny rivotra amin’ny tapany avatratra sy ny tendrony atsimon’i Madagasikara.

Hidina ny maripana ambony ny tolakandro amin’ny ankapobeny, indrindra ny faritry ny afovoan-tany . Tsy hiova firy ny any an-kafa. Manodidina ny 12°C hatramin’ny 24°C ny maraina ary eo anelanelan’ny 24°C hatramin’ny  36°C ny tolakandro.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.