Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tetezan’i Bekiraro: jiolahy tratra nitondra basy tao anaty gony

Tetezan’i Bekiraro: jiolahy tratra nitondra basy tao anaty gony

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Isotry teny amin’ny tetezan’i Bekiraro, ny asabotsy teo, ny jiolahy iray nitondra basy nafenina tao anaty gony. Araka ny fanazavan’ny polisy, nanao fisafoana tany anelakela-trano eny amin’iny faritra Ambalavao Isotry sy ny manodidina iny izy ireo, tamin’io fotoana io, ka nifanena tamina jiolahy iray nilanja gony izay somary nampiahiahy ny fihetsiny. Saika hiverin-dalana avy hatrany anefa ilay jiolahy raha vao nahita ireo polisy. Nanapa-kevitra ny hanakana azy ireo polisy noho izany fihetsiny izany. Rehefa nosavaina ilay gony nolanjainy, nahitana basy lava iray nozaraina ho singa roa azo atambatra ary tsara afina tao anatin’ilay gony. Nosamborin’ny polisy ka nentina tany amin’ny kaomisaria ity farany. Nilaza izy, nandritra ny fanadihadiana, fa lehilahy iray monina eny 67 ha ny tena tompon’io basy io fa nikarama 20 000 Ar fotsiny izy hitondra io basy io eo amin’ny tetezan’i Bekiraro. Nandositra avy hatrany anefa ilay tompony nony nahita azy voasambotra, araka ny filazany. Tsy nahitana taratasy ilay basy ary tsy nisy bala ihany koa.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.