Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seranan-tsambon’i Toamasina: tsy nampoizina ny fitomboan’ny fivezivezen’ny entana

Seranan-tsambon’i Toamasina: tsy nampoizina ny fitomboan’ny fivezivezen’ny entana

Ho vita amin’ny faran’ity taona 2018 ny fanamboarana toerana malalaka hanatobiana kaontenera miisa 5 000 amina velaran-tany 5 ha. Hisy 4 ha hafa koa mbola haorina, samy vola madiodio an’ny orinasam-panjakana Spat.

Tsy maintsy hitarina haingana ny seranan-tsambon’i Toamasina, na eo aza ny fandaharanasa goavana hiarahana amin’ny Fiaraha-miasa japoney Jica. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Orinasa mahaleo tena mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat), i Avellin Christian Eddy, fa nihazakazaka, niakatra 16% ny fitomboan’ny fivezivezen’ny entana ao amin’ity seranana ity tamin’ny taona 2017, manodidina ny kaontenera miisa  225 000.

Efa tamin’ny taona 2008 ny fanadihadiana niarahana tamin’ny Jica hanitarana ny seranan-tsambo, saingy nihantona noho ny krizy 2009. Niverina ny taona 2014 ary natao ny taona 2017 ny fifanarahana, natomboka ny avrily 2018 ny asa. Tsy mitsaha-mitombo anefa ny entana mivezivezy ao amin’ny seranan-tsambo ka tsy maintsy nikaroka vahaolana ny Spat, nahatonga ny fananganana toerana malalaka afaka hanatobiana kaontenera miisa 5 000 amina velaran-tany 5 ha. Velaran-tany asiana vato, rakofana godirao, miampy fametrahana vato sy simenitra (béton), hipetrahan’ny kaontenera. Nambaran’ny DG-n’ny Spat fa ho vita amin’ny faran’ity taona 2018 ity ny asa, handaniana 28 hatramin’ny 29 miliara Ar.

Hisy velaran-tany mirefy 4 ha, afaka mandray kaontenera miisa 4 000, ihany koa haorin’ny Spat aorian’ity iray ity ary ho vita amin’ny taona 2020.

Ho afaka mandray sambo vaventy 400 m

Tsiahivina fa mirefy 10 ha ny velaran-tany vaovao, afaka mandray kaontenera miisa 10 000, haorina iarahana amin’ny Jica, ho vita amin’ny taona 2022. Manampy ireo ny fanalavana ny toeram-piantsonana ny Mole C4, mirefy 470 m, sady hohalalinina hatrany amin’ny 16 m ny halalin’ny ranomasina amin’ny C2 sy C3, ary ho 14 m ny C1. Hohalalinina, toraka izany, koa ny fiantsonana efa misy.

 “Raha vita ireo, afaka mandray sambo vaventy hatrany amin’ny 400 m ny seranan-tsambon’i Toamasina ary ho seranana lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina”, hoy ihany DG, i Avellin Christian Eddy.

Manodidina ny 295 000 ny kaontenera azo raisina amin’ny taona 2020 ary hitombo 392 000 amin’ny taona 2025, fotoana hahavitan’ny asa rehetra hiarahana amin’ny Jica. Hiakatra ho 1 200 000 kaontenera izany amin’ny 2030 ary ho 1 300 000 amin’ny taona 2035.

Njaka Andriantefiarinesy

 

 

Ireo orinasa ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina:

*Spat: orinasam-panjakana misahana ny fitantanana ankapobeny ny seranan-tsambo

*MICTSL: orinasa filipianina, mikarakara ny entana anaty kaontenera.

*SMMC: orinasa mitantana ny entana tsy ao anaty kaontenera, toy ny fiarakodia, ny entana vaventy, ny simenitra, ny vy, sns.

Les commentaires sont fermées.