Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpivarotra eny Mahamasina: tsy manaiky ho eny Namontana

Mpivarotra eny Mahamasina: tsy manaiky ho eny Namontana

Hatramin’ny herinandro teo, tsy navelan’ny kaominina nivarotana intsony ny eny Mahamasina manaraka ny sisin’ny Cité mihazo ny hopitaly Befelatanana iny. Rehefa nifandinika ny mpivarotra sy ny tompon’andraikitra, hafindra eny amin’ny tsena Namontana ireo mpivarotra tamin’iny sisin-dalana iny.

Tsy nanaiky izany anefa ireo mpivarotra. “Mpivarotra hena sy legioma ny ao amin’ny tsena Namontana ka tsy hisy hividy ny entanay any”, hoy ireo mpivarotra. Mivarotra finday, kojakojan-dakozia, “friperie”, lamba… ireo nesorina tetsy Mahamasina ireo.

Ankoatra ny kotaba ho an’ireo marary sy mpiteraka ao amin’ny hopitaly, voahelingelina ihany koa ny fiainan’ireo mponina ao amin’ny Cité ka antony nanalana ireo mpivarotra teny an-toerana izany, raha ny filazan’ny tompon’andraikitry ny kaominina.

Omena tsena ara-dalàna ireo mpivarotra ireo hanohizany ny fihariany.

Tsiahivina fa tsy vao izao ny fanesorana mpivarotra teny Mahamasina. Efa an-taona maro ireo mponina eny no mitaraina sy nitaky ny hialan’ny mpivarotra eny, saingy mbola miverina ihany izy ireo aty aoriana rehefa tsy hentitra ny fandraisana fepetra ho an’ireo miseho tsy mety halamina.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.