Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpanafika eny Ampitatafika: andian-jiolahy nahatrarana basy PA roa

Mpanafika eny Ampitatafika: andian-jiolahy nahatrarana basy PA roa

Ravan’ny zandary miasa ao amin’ny borigadin’i Fenoarivo sy ny zandary avy ao Ampitatafika, ny herinandro teo, ireo andian-jiolahy miisa 10 mpanao fanafihana eny amin’iny faritra Fenoarivo sy Ampitatafika iny, araka ny fanazavan’ny zandary. Ny volana aogositra lasa teo no efa nanomboka nanao fikarohana ireto jiolahy ireto ny zandary kanjo izao tratra izao noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny zandary ao Fenoarivo sy Ampitatafika.  Nahatrarana basy vita gasy iray sy PA iray tany amin’izy ireo, nandritra ny fisavana nataon’ny zandary. Nohamafisin’ny zandary fa tsy mifidy angalarina intsony ry zalahy ireto na ganagana na moto ary tsy vitan’izay fa mamaky trano mihitsy. Jiolahy telo hafa tafaporitsaka, saingy efa eo am-pelatanan’ny zandary ny mombamomba azy ireo. Niaiky ny heloka vitany ireo jiolahy, nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Nanamafy hatrany ny zandary fa tafiditra ao anatin’ilay hetsika “OPS Mandio” ity hetsika ity. Manentana ny tsirairay hatrany ny zandarimaria amin’ny fanomezam-baovao mialoha ahafahana misoroka sy misambotra ireo mpanao ratsy.

J.C

Les commentaires sont fermées.