Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitry ny Atitany: “Aoka tsy hihoa-pefy”

Minisitry ny Atitany: “Aoka tsy hihoa-pefy”

“Tsy azo ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra ny fitaovam-panjakana. Na inona na inona fitaovam-panjakana azo tamin’ny volam-panjakana, tsy azon’ny solontenam-panjakana sy ny mpiasam-panjakana ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra.”hoy ny minisitry ny Atitany, Razafimahefa Tianarivelo. Ny olom-panjakana rehetra eo ambany fifehezan’ny solontenam-panjakana  koa tsy azo ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra.

“Tsy azontsika solontenam-panjakana atao ny manery ny olom-panjakana sy ny mpiasam-panjakana hoe hanampy ny kandidà izatsy na izaroa. Voararan’ny lalàna izany”, hoy izy. Ireny solontenam-panjakana ireny no tomponandraikitra voalohany amin’ny filaminana any amin’ny fari-piadidiany.

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra izao. Fampahatsiahivana ny nataony ho an’ireo solontenam-panjakana rehetra any amin’ny lafintany rehetra, satria manana anjara andraikitra eo amin’izao vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra amin’izao fifidianana izao izy ireo.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.