Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankazobe: tovovavy hamonjy « JMJ », maty voadonan’ny fiara

Ankazobe: tovovavy hamonjy « JMJ », maty voadonan’ny fiara

Maty voadonan’ny fiara teo Ankazobe PK 114+500 RN4, Ampivoarana, ny alahady teo tokony tamin’ny 06 ora hariva ny tovovavy handeha hanatrika ny « JMJ » hatao any Mahajanga. Fiarakodia maromaro nitondra ireo « JMJ » no nijanona tamin’ny sisin-dalana ka ilay tovovavy antsoina hoe Rasoaniaina Clémence, 22 taona, no niampita tampoka tamin’ny arabe ary voadonan’ny fiara iray ho any Mahajanga ihany koa. Nivadika rehefa avy nandona azy ilay fiara Sprinter ka naratra ny olona roa tao anatiny. Nitondra azy tao amin’ny hopitalin’ Ankazobe ny zandary nanara-dia ireto vondrona ireto, saingy tsy tana intsony ny ainy.

Raha ny fantatra, niaraka tamin’ny delegasion’ny Ekar Mahitsy, diosezy Antananarivo, ity tovovavy ity.

Fotoana itrangan’ny loza rehefa misy zava-dehibe tahaka izao. Mila mitandrina ny rehetra na ny mpamily na ireo tanora hamonjy “JMJ”. Anatin’ny hafaliana izy ireo ka mety ho varimbariana kanefa ahitan-doza izany. Misy ny fepetra raisin’ny mpitandro filaminana amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Mila manaraka izany ny rehetra hisorohana ny loza, sns.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.