Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andravoahangy: jiolahy miisa fito indray saron’ny polisy

Andravoahangy: jiolahy miisa fito indray saron’ny polisy

Ny iray amin’ireo jiolahy fito ireo, vao nivoaka ny fonja, volana vitsy lasa izay, noho ny resaka fanendahana teny amin’iny faritra Andravoahangy iny, kanjo izao niverina manohy ny asa ratsiny izao indray. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Antaninandro ny nahasambotra ireto jiolahy ireny nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo teny Antanimena ka noraisim-potsinsy teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be ny iray amin’izy ireo, ny asabotsy maraina teo. Tratra teo am-panendahana renim-pianakaviana iray ity jiolahy ary nenjehin’ny fokonolona avy hatrany izy. Naterin’ny olona tany amin’ny polisy izy taorian’izay ka niainga tamin’ny fanadihadiana ity jiolahy ity ny nahafahan’ny polisy nisambotra ireo namany. Tany anaty elakela-trano eny amin’ny faritra Andravoahangy no voasambotr’ireo polisy nanao fisafoana ireo namany. Tsy nahitana kara-panondro tany amin’izy ireo nandritra ny fisavan’ny polisy ary ny iray kosa, nitondra antsy maranitra. Nohamafisin’ny polisy fa jiolahy mpamerin-keloka avokoa ny ankamaroan’ireto tratra ireto.

J.C

Les commentaires sont fermées.