Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andilana Avaratra-Alaotra: mandeha ny fitrandrahana eladrano na “micas”

Andilana Avaratra-Alaotra: mandeha ny fitrandrahana eladrano na “micas”

Nahita maso ny mpanao gazety iray ao amin’ny radio Amonix-Ambatondrazaka : rafitra mihady eladrano (micas), harena ambanin’ny tany, ny ao an-tanànan’Andilana-Avaratra, distrikan’Amparafaravola. Efa misy mandray izany akora izany, taterina amina fiara vaventy mankaty an-dRenivohitra.

Nandritra ny fihaonan’ny mpanao gazety tamin’ny loholona Rabenony Andrianirina, ny 5 oktobra teo, ny nilazan’ity mpanao gazety ity io zava-misy hitany io tany amin’ity tanàna any amin’ny morona avaratry ny farihin’Alaotra. Manarato hazandrano sy mamboly vary anefa ny foto-piveloman’ny mponina any.

Tsy nahafantatra nialoha ny fisian’io eladrano ao Andilana-Avaratra io ity namana ity fa anton-javatra hafa ny  diany, araka ny nambarany . “Tsy sahy nirotsaka nanadihady aho”, hoy izy, nahatsikaritra ny hafanam-po be eny amin’ireo mponina, mitrandraka ny akora eladrano. Natahotra ihany ilay mpanao gazety sao heverin’ireo mpitrandraka hamoaka vaovao hampitsahatra ny fitrandrahana ity “mana” narotsaky ny avy any Ambony ity. Efa misy birao misahana itony harena an-kibon’ny tany itony ao Ambatondrazaka.

Somary latsaka, raha miohatra amin’ny toeran-kafa, ny rotsak’orana any amin’iny tapany avaratry ny morom-parihy iny ka latsaka kely amin’ny any an-kafa ny voka-bary.  Toa tsy mampazoto azy ireo hamboly vary ny fahitana akora toy izao.

Rarivo 

Les commentaires sont fermées.