Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

ALM: mikarakara hetsika momba ny boky

ALM: mikarakara hetsika momba ny boky

Hotanterahina, ny alakamisy hatramin’ny asabotsy izao, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena etsy Anosy, ny fihaonambe momba ny soratra, karakarain’ny fikambanan’ny trano fivarotam-boky eto Madagasikara (ALM). Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra izao hetsika izao.

Na eo aza ny fivoaran’ny teknolojia, tsy azo ialana mihitsy ny boky, amin’ny endriny hatramin’izay (taratasy), indrindra ho an’ny tontolon’ny fampianarana. Misy ireo boky ilaina any an-tsekoly satria mifandraika amin’ny fandaharam-pianarana. Ao koa ireo boky tokony hovakin’ny ankizy sy ny tanora ho fanatevenana ny fahalalana azony any an-tsekoly.

Amin’ny ankapobeny, hita any amin’ny trano fivarotam-boky avokoa izy ireny. Anisan’ny tanjon’izao hetsika izao ny hampahafantatra ireo boky samihafa ireo amin’ny ray aman-dreny, izay ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fidiran’ny mpianatra.

Hisy ny varotra fampirantiana boky, miampy fitaovam-pianarana marobe. Ankoatra izany, ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny “Rohin’ny boky”. Handravaka ny hetsika kosa ny fanentanana zavakanto isan-karazany. Fotoana enti-manentana ny rehetra amin’ny vaky boky ny toy izao.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.