Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: hosoloina ireo kaonteran-jiro may

Toamasina: hosoloina ireo kaonteran-jiro may

Nambaran’ny talem-paritry ny Jirama Toamasina, i Toto Jean de Dieu, fa efa vonona ny kaontera miisa 50 hanoloana maimaim-poana ireo may, nandritra ny haintrano teny Tanambao V. Afaka manao ny fangatahana any amin’ny Jirama ireo efa nahavita nanarina ny tranony.

Ankoatra izany, tafapetraka avokoa ny kaonteran’ny mpanjifa, nangatahana ary efa voaloa vola, nanomboka ny taona 2012 hatramin’ny taona 2017, miampy ny telo volana voalohany ny taona 2018 (janoary, febroary, marsa). Miditra amin’ny ireo fangatahana natao ny volana avrily hatramin’ny jolay ny Jirama Toamasina, ankehitriny. Tanjona ny hahazoan’ny mpanjifa ny anjarany rehetra, amin’ity taona 2018 ity.

Manampy ireo, manitatra ny famatsian-jiro ny Jirama Toamasina, toy ny any Vohitsara, misy fangatahana miisa 70. Efa vonona ny andrin-jiro, saingy andrasana ny famahana ny olana mikasika fananan-tany. Eo am-pametrahana koa ny andrin-jiro any Ambalamanasy. Ankoatra ireo, ho tonga afaka roa herinandro ny andrin-jiro hazo, nafarana avy any Afrika Atsimo, miisa 800. Mitovy toy ny nampiasaina ho an’ny tetikasa Ambatovy izy ireo, mateza, maharitra 40 taona satria miavaka ilay karazan-kazo.

Sajo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.