Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy – «Allianz vintage cup»: norombahin’i Rindra sy i Kaliana ny amboara

Tenisy – «Allianz vintage cup»: norombahin’i Rindra sy i Kaliana ny amboara

Fahombiazana, ny andiany fahefatra amin’ny “vintage cup”, taranja tenisy. Fihaonana, notanterahina teny amin’ny kianja Country Club Ilafy, omaly alahady. Nandrombaka ny fandresena, tamin’ity, Andrianafetra Kaliana (Serana Tangaina) sy Raoelinavalona Lee Rindra (La Parapharmacie). Resin’izy ireo, teo amin’ny famaranana, ny ekipa nisy an’i Pichler Claudia (Restaurant La Terrace) sy Andriantsitohaina Marc (Securité Mafi). Nisaraka tamin’ny seta, 2 no ho 0 izy ireo (4/2 ; 3/2). Niady ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, ary samy nampiseho endri-dalao mahafinaritra ny roa tonta. Niakatra rahateo ny lentan’ny fifaninanana, araka ny nambaran’ny mpikarakara ny hetsika.

Marihina fa resin’ny ekipan’i Claudia sy i Marc teo amin’ny manasa-dalana, Ranarivelo Andri sy Raharinosy Judia. Ny ekipa nisy an’i Razafindrabe Nadia sy Ramiandrisoa Manantsoa.

Tsiahivina fa nahatratra 82 ny isan’ny mpandray anjara, tamin’ity, izay mitombo isa hatrany. Nanohana ity andiany fahefatra ity, ny BMOI, ny DHL, ny Orange, ary ny Madauto. Tanjon’ny fifaninanana, ny hisian’ny fifamatorana eo amin’ny fifandraisan’ny orinasa mpifaninana ka tsy ny fandresena no zava-dehibe fa ny toe-tsaina mifankatia sy mifanampy.

Fihaonana manaraka, ny “open international BMOI / Air France”, hotanterahina ny 9 ka hatramin’ny 14 oktobra, ho avy izao.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.