
Tao anaty efitrano ny ankamaroan’ireo seho nisy teto an-dRenivohitra, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nisongadina tamin’izany ny tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Imahamasina, Plazz ampefiloha ary ny tetsy amin’ny CCEsca Antanimena.
Nisongadina hatrany ilay fahaizan’i Bodo mifehy ny sehatra hihirany!
« Fiderana aloha », fampisehoana nanana endrika famintinana tantara kely narahina hira ny zotram-piainan’i Bodo amin’ny ankapobeny. Nanjakan’ny hira evanjelika ihany koa. Tao ireo tsy mbola fandre loatra fa nisy ireo mahazatra ny sofina. Fotoana nahalalana bebe kokoa an’i Bodo, fotoana nampitambolona zavatra sy tranga maro ho an’ireo izay mitovitovy trangam-piainana aminy ihany koa !
Nanakoako tanteraka ny feon-dokanga amina habe samihafa.
Toy ny nijery sarimihetsika ! Nifanaraka, nifameno, sns, ny mozika sy ny sarimihetsika, nandritra ny seho notanterahin’ny Quatuor Squad, tetsy ami’ny Plazza Ampefiloha. Mozika nahafantarana na marim-pamantarana ihany koa ireo sarimihetsika malaza maneran-tany no nentin’izy ireo nanome fahafinaretana ireo mpijery tonga teny an-toerana, omaly. Nifanaraka tamin’izany rahateo ny fomba nanehoana izany. Raha ny feon-kira nahafantarana ny « film » lalaovin’i James Bond, ohatra, no nolalaovin’ny Quatuor Squad, ampahan’ny sarimihetsika nahitana ity mpilalao malaza ity no tazana teny amin’ny « écran ».
Kanto tokoa ny seho natolotr’i Voahirana sy ny feo kantony.
« Ho an’i Fanaiky », fampisehoana an-tsehatra notontosaina tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly, ho fanampiana an’ity andrarezin’ny kanto malagasy tojo tsy fahasalamana ity. Nitondra ny anjara birikiny ry Fanja Andriamanantena, Théo Rakotovao, Voahirana, Solo Andrianasolo, sns. Tsikaritra tamin’ireto mpanakanto ireto ilay fananana traikefa matanjaka eo amin’ny fanolorana ny kanto avy any amin’ny tsirairay.
Nanatontosa : HaRy sy Tiana ary Fanou
Les commentaires sont fermées.