Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Misedra olana ny asam-panjakana ao Toamasina

Misedra olana ny asam-panjakana ao Toamasina

Misedra olana ny sampandraharaham-paritry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy  (Fop) ao Toamasina.  Tsy misy fitaovana informatika ny mpiasa. Tsy ampy ihany koa ny birao ka manatanteraka ny asany any an-tranony avy ireo mpiasa. Tahaka izany koa ny tsy fahampian’ny mpiasa mpitsirika ny asam-panjakana, mpandray ny fitarainan’ny mpiasa ao amin’ny faritra Atsinanana.  Mahatratra 4 5000  ireo mpiasa tsy miankina, hiantsorohan’ny sampandraharaha fitsirihana ny asa.  Maherin’ny 60 isam-bolana ny fitarainan’ny mpiasa raisin’izy ireo. « Maro amin’ireo fitarainana ny olana eo amin’ny tsy fandoavana ny karama ara-dalàna, ny tsy fanajàna ny mari-karama farany ambany ary ny tsy fanomezana  fiarovana sosialy. Maro koa ny tranga fandroahana tsy misy antony… Tsy ampy mihitsy ny isan’ny mpitsirika ny asa, roa ihany ary telo  ny  mpanara-maso ny asa… Na eo aza anefa izany, miezaka izahay manao ny asa ara-dalàna » , hoy ny lehiben’ny sampandraharaha fitsirihana ny asa, faritraAtsinanana, Mora Jean  Luc.

Harenina ny lesoka  amin’ny asam-panjakana

Manoloana izany, nambaran’ny minisitry ny asa, Ramaholimasy Holdera nidina  ifotony tany an-toerana, ny faran’ny herinandro  teo  fa tsy maintsy harenina ny lesoka na kely aza ny enti- manan’ny fanjakana.  “Karohina ny hevitra satria iankinan’ny fampandrosoana ny fizotran’ny asa rehetra, na ny asam-panjakana, na ny tsy miankina”, hoy izy. Niaiky ny tenany fa mahamenatra izany fanaovana “saisie” sy “impression” ny taratasy samihafa any amin’ny “Cyber-café” izany. Anisan’ny vahaolana ny nitondrany ordinatera ho an’ny mpiasa  ary ho avy tsy ho ela ny manaraka hanampiana izany satria tanàn-dehibe tena maro mpiasa ny ao Toamasina.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.