
Mandray ny andraikitra tandrify azy. Nijery ifotony sy nifampidinika amin’ireo tompon’andraikitra ao an-dRenivotr’i Boeny amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fandraisana ny fihaonamben’ny tanora katolika JMJ Mada, andiany fahasivy, hatao any Mahajanga ny Praiminsitra Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo.
Anisan’ny noresahina tamin’izany ny momba ireo toerana handraisana ireo tanora maherin’ny 50 000 ho avy any an-toerana, manomboka ny 8 hatramin’ny 14 oktobra izao. Anisan’izany ireo toerana ho an’ny vahiny, ny sekoly, ny fampidirana rano fisotro na koa ny siniben-drano maherin’ny 30 hampiasaina.
Fandriampahalemana sy ny pesta
Manampy izany ny lafiny fahadiovana sy ny fanadiovana. Notsindrin’ny lehiben’ny governemanta manokana ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ary ny pesta. “Tsy maintsy raisina avokoa ny fepetra rehetra amin’izany fahavorian’ny tanora marobe izany. Efa ao anatin’ny fampielezan-kevitra koa isika ka ilaina ny fitandremana. Tsy tokony hisy ny fitongilanana eo amin’ny tompon’andraikitra. Hamafisina ny fahadiovana mba hisorohana ny valanaretina ka tokony ho samy handray andraikitra ny rehetra”, hoy ihany izy.
Fanentanana ny mpifidy hanamarina ny anarany…
Taorian’izany, nidina ifotony tahaka ny efa fanaony nijery ireo pitsompitsony amin’ny fanomanana ny fifidianana tahaka ny efa nataony tany Ialasora, distrikan’i Fandriana, Faritra Amoron’i Mania, ny delegasiona notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nanaovana tombana tamin’izany ny ezaka efa vita ka anisan’izany ny fahatongavan’ny lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany. Efa hita taratra koa fa mandray ny andraikitra tandrify azy ny Ceni mba hivoahan’ny kara-pifidianana, araka ny fotoana ilana azy. Nanentana ny olom-pirenena rehetra ny Praiminisitra Ntsay Christian mba hijery sy hanamarina ny anarany ao anatin’ny lisi-pifidianana. “Zon’ny tsirairay ny mifidy ary mba hisian’ny mangarahara sy hananan’ny rehetra fitokisana amin’izany fifidianana hotanterahina izany koa ny fanamarinana ny ao amin’ny lisi-pifidianana”, hoy izy.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.