Tsy an-kiandriandry. “Efa lasa ary naparitaka any amin’ny rantsa-mangaikan’ny Ceni, hatrany anivon’ny kaominina ny biletà tokana miisa 8 000. Hiasa avy hatrany amin’ny fanofanana ny mpikambana ireo mpampiofana avy aty ary hampahafantatra ny vahoaka mpifidy ny momba io biletà tokana io”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, ny faran’ny herinandro teo teny Alarobia. Tsy ny eo anivon’ny Ceni irery ihany anefa ny hisehatra amin’izany fa eo koa ny eo anivon’ny fiarahamonimpirenena. “Hahazo biletà tokana miisa 50 ahitana soratra “Formation” avy isaky ny distrika izy ireo ary hanentana sy hampahafantatra ny mpifidy ny momba izany koa. Hahazo ny anjarany ireo antoko politika sy ny kandidà ka samy hanana biletà tokana miisa 75 avy”, hoy ihany izy.
Vato maty na tsy manan-kery
Hanomboka ny 7 oktobra izao izany ny asan’ny avy amin’ny fiarahamonina sivily sy ny antoko politika amin’ny fanentanana sy fampahafantarana izany biletà tokana izany. Mazava koa anefa ny hafatry ny Ceni, manoloana ity resaka biletà tokana ity. “Tsy manan-kery ary maty avy hatrany ny vato raha tsy misy sonian’ny mpikamban’ny birao fandatsaham-bato (BV) ka tokony hamarinin’ny mpifidy izany, mialoha ny handrotsahany ny vato anaty vata mangaraharaha”, hoy ny eo anivon’ny Ceni.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.