
Tsy hitazam-potsiny. Nampahafantatra ny hahatongavan’ireo mpanaramaso ny fifidianana avy amin’ny Vondrona eoropeanina (UE) eto amintsika ny lehiben’izy ireo, i Christian Preda, omaly tetsy Ankorondrano. “Handefa iraka hijery sy hanaramaso mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana izahay, araka ny fangatahan’ny fitondrana malagasy”, hoy izy ireo. Efa tonga eto, ny 21 septambra teo ny lehiben’ny mpanaramaso lefitra sy mpanadihady miisa valo. “Hisy mpanaramaso 40 hafa ho avy ho tonga, ny 6 oktobra izao ary hiparitaka any amin’ny faritra ”, hoy ihany izy ireo.
Notsindriny fa anisan’ny iraka hampanaovina azy ireo ny fanaraha-maso ny fanomanana sy ny fikarakarana ny lafiny fampitaovana ny fifidianana. Eo koa ny fijerena ny fizotry ny fampielezan-kevitra sy ny hetsika fanentanana na koa fanetsehana ny mpifidy.
Fitoriana momba ny tsy fanarahan-dalàna sy fihoaram-pefy
Manampy izany ny fanaraha-maso ny andron’ny fifidianana sy ny fanisam-bato ary ny famoahana ny voka-pifidianana. Ho tonga amin’ny fijeren’izy ireo ny fanarahany maso ireo fitoriana amin’n y mety ho fihoaram-pefy, na tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana izany.
Araka izany, hiditra an-tsehatra tanteraka, amin’izao fifidianana izao, ny UE ary hanaraka izany hatramin’ny farany.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.