
Nanoratra taratasy ho an’ny tomponandraikitry ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar, nanoloana ilay sazy nomen’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf), ny amin’ny tsy fahazoan’izy ireo milalao eo amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, mandritra ny telo volana.
Nambaran-dry zalahy fa mbola ao anatin’ny fifantohana tanteraka ny amin’ny hatrarana ny tanjona niaraha-nametraka dia ny handraisana anjara amin’ny Can 2019, izy ireo. Mbola naneho ny fahavononany ireo mpilalao amin’ny fiatrehana ireo lalao fifanintsanana rehetra atao eto Madagasikara. Noho izany, miangavy ny federasiona ireo mpilalao hitady vaha-olana, mba ho feno ny fepetra, hahafahan’izy ireo milalao ao anaty fitoniana sy filaminana, miaraka amin’ireo mpilalao fantenan’i Nicolas Dupuis, mpanazatra. Tsy nisy filazana ny toerana hilalaovana kosa ao anatin’ilay taratasy nalefan’ireo mpilalaon’ny Barea ho an’ny Federasiona.
Mbola namerina ny fiaraha-miory, ho an’ny fianakaviana namoy ny havany sy nirary fahasitranana, ho an’ireo naratra, tamin’ny alahady 9 septambra, lasa teo, ry zalahy.
Tompondaka
Les commentaires sont fermées.