Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampitatafika: saron’ny zandary Ralavakely sy ny namany

Ampitatafika: saron’ny zandary Ralavakely sy ny namany

Nahitam-bokany indray ny “Opération Mandio”, ny alarobia vao mangiran-dratsy tamin’ny nahatrarana ireo tambajotran-jiolahy tarihin-dRalavakely sy i Ndaty. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary no nahitan’izy ireo ny jiolahy roa nihanika vavahadin’olona ao Atsimombohitra Ampitatafika, tamin’io fotoana io. Nikasa haka ireo moto nipetraka teo an-tokotany izy roa lahy, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Ralavakely sy i Ndaty ireto, saingy saron’ny zandary nanao fisafoana. Tratra teny amin’izy ireo koa ny “pince coupante” fanapahana gadena sy ny fanafody gasy izay fampiasan’izy ireo mba hampatoriana ny tompon-trano, araka ny filazan’ireo jiolahy. Raha ny fanazavan’ny zandary, ny 13 septambra 2018, efa nisy moto efatra very tao amin’io toerana io ary izao mbola saika hiverina izao indray ireo olon-dratsy. Nandritra ny famotorana azy ireo no nilazany fa izy ireo ihany no nangalatra ireo moto ireo. Nosaivana ny tranon’izy ireo tany Ambohimangidy Ampitatafika ka nahatrarana moto miisa efatra ka ny iray anisan’ireo very ny 13 septambra raha tsy nisy taratasy mazava kosa ny telo. Efa nogiazana ireo moto halatra ireo. Nanondro ireo mpiray tsikombakomba aminy, izy ireo ka tafakatra fito ny isan’ireo voasambotra ka vehivavy ny telo. Mbola eo am-pikarohana ny jiolahy iray atidohan’ity tambajotra ity ny zandary.

J.C

Les commentaires sont fermées.