Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Testamenta Vaovao: azo ampidirina amin’ny finday

Testamenta Vaovao: azo ampidirina amin’ny finday

« Mivoatra manaraka ny toetrandro ny fampianarana sy fizarana ny Soratra Masina ka mampiasa ny teknolojia vaovao ihany koa », hoy ny mpitandrina Rakotoarivony Hubert, tale jeneralin’ny Fikambanana mampiely Baiboly malagasy (FMBM), omaly teny amin’ny foiben-toerany, Ampasampito. Nampahafantarina teny an-toeranan ny “application Fiafi”, fitaovana ao anatin’ny tetikasa Finoana azo avy amin’ny fihainoana. Amin’ny finday smartphone no ampidirina ny Testamenta Vaovao mampiasa ny “application” fotsiny ary mampiavaka azy ny feo miaraka aminy ho an’ny olona sahirana amin’ny vaky teny. Tanjon’ny FMBM ny mamokatra ny Soratra Masina amin’ny endriny ilan’ny olona azy ka tafiditra amin’izany ity fitaovana amin’ny endriny vaovao ity. Efa nampiasaina ny Finoana avy amin’ny fihainoana fa nampiasa karazana vata fihainoana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, proclaimer. Voafetra ny fahazoana io fitaovana io ka ity “application” ity, manampy ireo mpanentana eo anivon’ny tetikasa amin’ny fiarahana mandinika ny Soratra Masina. Mifamatotra amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny FMBM ho an’ny dimy taona manaraka ny ezaka hampita ny fiangonana amin’ny alalan’ny fampielezana ny tenin’Andriamanitra hitondra fiovana eo amin’ny fiarahamonina. Afaka manatona eny amin’ny foiben-toeran’ny FMBM Ampasampito ireo rehetra vonona ny hampiditra ny “application Fiafi” ao anaty finday. Maimaimpoana ny fampidirana izany sady miaraka amin’ny fampiofanana hikirakirana ny “application” avy hatrany koa.

Efa natao, omaly teny an-toerana, ny fampiofanana ho an’ny andiany voalohany.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.