Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tanora: tolotr’asa maro ao amin’ny Opneflex sy Stileex

Tanora: tolotr’asa maro ao amin’ny Opneflex sy Stileex

Betsaka ny tanora izay tsy an’asa amin’izao fotona izao. Manano sarotra hoa azy ireo ny mahita ny asa tiany sy mety aminy. Betsaka ireo orinasa lehibe eto amintsika izay ahafana mivoatra sy mahazo traikefa, kanefa tsy ny rehetra no tafiditra amin’izy ireo. Ho fanampiana ireo tanora izay ho avin’i Madagasikara, manolotra tolotr’asa maro ny Stileex sy Openflex.

Zavatra maro no ampatanantenain’ireto farany ho an’ireo izay liana amin’ny sehatry ny informatika. Ankoatran’ny fametrahana ny tsirairay ami’ny toerana sahaza azy dia ao koa ny fanomezana lanja ny talenta sy ny maha olona. Ny Openflex, izay tsy misy vina amintsika intsony, dia ilay rindrambaiko mahavita ny asan’orinasa rehetra, natokana ho an’ny malagasy. Tsotra sady mora ampiasaina izy ity ary miafanaraka amin’ny lalàna eto an-toerana. Afaka mampiasa azy ity na ny orinasa madinika, na salatsalany na ny lehibe. Ny kendreny moa dia ny hampandroso ny malagasy ami’ny lafin’ny nomerika. Maro ireo rindrambaiko izay vokariny, ao ny Vente&CRM (https://openflex.cloud/fr/produit/vente-crm/ ), izay natokana ho an’ny faktiora na ny Point de Vente (https://openflex.cloud/fr/produit/point-de-vente/ ), izay natao ho an’ireo toeram-pivarotana.

Ny gazetim-boky Stileex, izay misahana ny fanaovana fanadihadiana tsara kalitao sy voarindra dia natao hanampy ny tsirairay amin’ny andavan’andro. Araka izay maha gazetim-boky azy izay, dia ny sehatry ny fanoratana amin’ny teny frantsay no tena vohiziny. Raha toa izany ka liana amin’ireo sehatra samihafa izay iasan’i Stileex, toy ny fikarohana, famakiana boky n afizarana vaovao mahatsikaiky dia aza misalasala ny manantona azy. Anisan’izany sa fikarohana ny taham-pitsidihina ireo toeram-pisakafoanana (https://stileex.xyz/restaurants-malgaches/ ), ny toeram-piantsenana eto Madagasikara (https://stileex.xyz/malgaches-courses/ ) na koa ny asa sy ny fifamoivozana eto Antananarivo (https://stileex.xyz/travail-transport-tananariviens/).

Tsara marihina fa tanora avokoa ny mpiasan’ireo orinasa ireto ary tena mavitrika sy tia ny asany avy. Mahazo mahatoky izany ireo tanora fa ahita izay mahasoa tokoa. Ireo tolotr’asa di hita ao amin’ny pejy Facebook ary koa aza misalasala ny mitsidika ny tranonkala.

Les commentaires sont fermées.