Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Stop accident”: misy hetsika fanentanana anio eny Mahamasina

“Stop accident”: misy hetsika fanentanana anio eny Mahamasina

Maro loatra ny lozam-pifamoivoziana miseho eto amintsika tato ho ato, ny mpitondra moto sy ny fiara mitatitra olona amin’ny lalam-pirenena samihafa no tena betsaka iharan’ny loza ary matetika, hamoizana aina hatrany. Hampihenana ny lozam-pifamoivoizana mitranga, manao hetsika fanentanana faobe “Stop accident” ny Media Project, fikambanana tanora mahatsiaro ho manana adidy amin’ny fanabeazana ny daholobe hisorohana ny loza. Misy ny fiaraha-mientana, anio eny Mahamasina, eo amin’ny Parvis vaovaon’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena (eo ampitan’ny Bazar du Quartier).

Antsoina ny isam-batan’olona sy ny mpampiasa lalana rehetra ho tonga eny an-toerana. Aorian’ny fizarana taratasy fampahafantarana ny fisorohana ny loza sy ny lalàna mifehy ny fifamoivoiziana an-dalambe, hisy diabe mangina hanomezam-bonihanitra ireo namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Miainga eo Mahamasina ny diabe, mihazo an’Analakely, mitohy eny Ankorondrano sy Marais Masay ary miverina manaraka izay lalana izay ihany ka mifarana eny Mahamasina. “Ilaina ny fifampitaizana eo amin’ny samy mpampiasa ny lalana”, hoy ny tomponandraikitry ny Media Project, omaly teny Ambodivona. Manome tanana amin’ny fikarakarana koa ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanomboka ny taona 2017 ka hatramin’ny tapaky ny taona 2018, nahatratra 3 500 ny lozam-pifamoivoizana niseho teto amintsika. “Matetika, ny loza mihatra amin’ny mpitondra moto no mafy sy ahafatesana olona betsaka”, hoy ny tomponandraikitra.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.